1. Now concerning the things whereof ye wrote unto me: It is good for a man not to touch a woman.
1. Pour ce qui concerne les choses dont vous m`avez écrit, je pense qu`il est bon pour l`homme de ne point toucher de femme.
1. Ary ny amin’ireo zavatra nosoratanareo tamiko dia tsara amin’ny lehilahy raha tsy mikasi-behivavy akory.
2. Nevertheless, to avoid fornication, let every man have his own wife, and let every woman have her own husband.
2. Toutefois, pour éviter l`impudicité, que chacun ait sa femme, et que chaque femme ait son mari.
2. Kanefa mba hisorohana ny fahavetavetana dia aoka ny lehilahy rehetra samy hanana ny vadiny avy, ary aoka koa ny vehivavy rehetra samy hanana ny vadiny avy.
3. Let the husband render unto the wife due benevolence: and likewise also the wife unto the husband.
3. Que le mari rende à sa femme ce qu`il lui doit, et que la femme agisse de même envers son mari.
3. "Aoka ny lahy hanao izay mety hatao amin’ny vavy; ary mba toy izany koa ny vavy amin’ny lahy."
4. The wife hath not power of her own body, but the husband: and likewise also the husband hath not power of his own body, but the wife.
4. "La femme n`a pas autorité sur son propre corps, mais c`est le mari; et pareillement, le mari n`a pas autorité sur son propre corps, mais c`est la femme."
4. "Ny vavy tsy manam-pahefana amin’ny tenany, fa ny lahy; ary mba toy izany koa ny lahy tsy manam-pahefana amin’ny tenany, fa ny vavy."
5. Defraud ye not one the other, except it be with consent for a time, that ye may give yourselves to fasting and prayer; and come together again, that Satan tempt you not for your incontinency.
5. "Ne vous privez point l`un de l`autre, si ce n`est d`un commun accord pour un temps, afin de vaquer à la prière; puis retournez ensemble, de peur que Satan ne vous tente par votre incontinence."
5. Aza misara-pandriana ianareo, raha tsy amin’izay andro sasany ifanekenareo ho andro hifadian-kanina sy hivavahana, ary avy eo dia miraisa fandriana indray, mba tsy hakan’i Satana fanahy anareo noho ny tsy faharetanareo.
6. But I speak this by permission, and not of commandment.
6. Je dis cela par condescendance, je n`en fais pas un ordre.
6. Famelàna malalaka no itenenako fa tsy mandidy aho.
7. For I would that all men were even as I myself. But every man hath his proper gift of God, one after this manner, and another after that.
7. "Je voudrais que tous les hommes fussent comme moi; mais chacun tient de Dieu un don particulier, l`un d`une manière, l`autre d`une autre."
7. "Fa tiako ho tahaka ahy ny olona rehetra; kanefa samy manana ny fanomezana manokana avy amin’Andriamanitra ny tsirairay avy, ka ny anankiray toy izao ary ny anankiray toy izao kosa."
8. I say therefore to the unmarried and widows, It is good for them if they abide even as I.
8. A ceux qui ne sont pas mariés et aux veuves, je dis qu`il leur est bon de rester comme moi.
8. Fa hoy aho amin’ny tsy manambady sy ny mpitondratena kosa: Tsara aminy raha mitoetra tahaka ahy izy.
9. But if they cannot contain, let them marry: for it is better to marry than to burn.
9. "Mais s`ils manquent de continence, qu`ils se marient; car il vaut mieux se marier que de brûler."
9. "Nefa raha tsy maharitra izy, dia aoka hanambady ihany; fa tsara ny manambady noho ny ho maimay."
10. And unto the married I command, yet not I, but the Lord, Let not the wife depart from her husband:
10. A ceux qui sont mariés, j`ordonne, non pas moi, mais le Seigneur, que la femme ne se sépare point de son mari
10. "Ary ny manambady dia didiako, nefa tsy izaho, fa ny Tompo: Aoka tsy hiala amin’ny lahy ny vavy;"
11. But and if she depart, let her remain unmarried, or be reconciled to her husband: and let not the husband put away his wife.
11. (si elle est séparée, qu`elle demeure sans se marier ou qu`elle se réconcilie avec son mari), et que le mari ne répudie point sa femme.
11. "Nefa raha misy efa niala, dia aoka hitoetra tsy manambady, na aoka hody amin’ny lahy; ary aoka ny lehilahy tsy hanary ny vadiny."
12. But to the rest speak I, not the Lord: If any brother hath a wife that believeth not, and she be pleased to dwell with him, let him not put her away.
12. "Aux autres, ce n`est pas le Seigneur, c`est moi qui dis: Si un frère a une femme non-croyante, et qu`elle consente à habiter avec lui, qu`il ne la répudie point;"
12. Fa amin’ireo sisa, dia izao no teniko, fa tsy ny Tompo: Raha misy rahalahy manambady tsy mino, ary tian’ny vavy ny miara-mitoetra aminy, dia aoka tsy hanary azy ny lahy.
13. And the woman which hath an husband that believeth not, and if he be pleased to dwell with her, let her not leave him.
13. et si une femme a un mari non-croyant, et qu`il consente à habiter avec elle, qu`elle ne répudie point son mari.
13. Ary raha misy vehivavy manambady tsy mino, ka tian’ny lahy ny miara-mitoetra aminy, dia aoka tsy hialàn’ny vavy izy.
14. For the unbelieving husband is sanctified by the wife, and the unbelieving wife is sanctified by the husband: else were your children unclean; but now are they holy.
14. "Car le mari non-croyant est sanctifié par la femme, et la femme non-croyante est sanctifiée par le frère; autrement, vos enfants seraient impurs, tandis que maintenant ils sont saints."
14. "Fa ny lahy tsy mino dia efa hamasinin' ny vavy ary ny vavy tsy mino dia efa hamasinin' ny lahy; raha tsy izany kosa, dia tsy madio ny zanakareo; fa raha izany dia masina izy."
15. But if the unbelieving depart, let him depart. A brother or a sister is not under bondage in such cases: but God hath called us to peace.
15. "Si le non-croyant se sépare, qu`il se sépare; le frère ou la soeur ne sont pas liés dans ces cas-là. Dieu nous a appelés à vivre en paix."
15. "Fa raha ny tsy mino no miala, aoka izy hiala. Na rahalahy na anabavy dia tsy voafehy amin’izany; fa Andriamanitra efa niantso antsika amin’ny fiadanana."
16. For what knowest thou, O wife, whether thou shalt save thy husband? or how knowest thou, O man, whether thou shalt save thy wife?
16. Car que sais-tu, femme, si tu sauveras ton mari? Ou que sais-tu, mari, si tu sauveras ta femme?
16. Fa ahoana moa no ahafantaranao, ravehivavy, na ho voavonjinao ny vadinao, na tsia? Ary ahoana no ahafantaranao, ralehilahy, na ho voavonjinao ny vadinao, na tsia?
17. But as God hath distributed to every man, as the Lord hath called every one, so let him walk. And so ordain I in all churches.
17. Seulement, que chacun marche selon la part que le Seigneur lui a faite, selon l`appel qu`il a reçu de Dieu. C`est ainsi que je l`ordonne dans toutes les Églises.
17. Kanefa aoka ny tsirairay samy handeha araka izay anjarany nomen’Andriamanitra azy sy araka ny niantsoan’ny Tompo azy avy. Ary izany no andidiako ao amin’ny fiangonana rehetra.
18. Is any man called being circumcised? let him not become uncircumcised. Is any called in uncircumcision? let him not be circumcised.
18. "Quelqu`un a-t-il été appelé étant circoncis, qu`il demeure circoncis; quelqu`un a-t-il été appelé étant incirconcis, qu`il ne se fasse pas circoncire."
18. Misy nantsoina voafora va? Aoka izy tsy hovàna ho tsy voafora. Misy nantsoina tsy voafora va? Aoka izy tsy hoforana.
19. Circumcision is nothing, and uncircumcision is nothing, but the keeping of the commandments of God.
19. La circoncision n`est rien, et l`incirconcision n`est rien, mais l`observation des commandements de Dieu est tout.
19. Tsinontsinona ny famorana, ary tsinontsinona ny tsy famorana, fa ny fitandremana ny didin’Andriamanitra.
20. Let every man abide in the same calling wherein he was called.
20. Que chacun demeure dans l`état où il était lorsqu`il a été appelé.
20. Aoka ny tsirairay samy hitoetra amin’ny fiantsoana izay efa niantsoana azy.
21. Art thou called being a servant? care not for it: but if thou mayest be made free, use it rather.
21. "As-tu été appelé étant esclave, ne t`en inquiète pas; mais si tu peux devenir libre, profites-en plutôt."
21. "Nantsoina va ianao raha mbola mpanompo? Aoka tsy hampaninona anao izany; nefa raha misy hahafahanao, aleo izany."
22. For he that is called in the Lord, being a servant, is the Lord's freeman: likewise also he that is called, being free, is Christ's servant.
22. "Car l`esclave qui a été appelé dans le Seigneur est un affranchi du Seigneur; de même, l`homme libre qui a été appelé est un esclave de Christ."
22. "Fa ny mpanompo izay voantso ao amin’ny Tompo dia olona afaka an’ny Tompo; toy izany koa, ny olona afaka izay voantso dia mpanompon’i Kristy."
23. Ye are bought with a price; be not ye the servants of men.
23. "Vous avez été rachetés à un grand prix; ne devenez pas esclaves des hommes."
23. Fa olom-boavidy ianareo, ka aza mety ho mpanompon' olona.
24. Brethren, let every man, wherein he is called, therein abide with God.
24. Que chacun, frères, demeure devant Dieu dans l`état où il était lorsqu`il a été appelé.
24. Ry rahalahy, aoka ny olona rehetra samy hitoetra amin’Andriamanitra ao amin’izay niantsoana azy avy.
25. Now concerning virgins I have no commandment of the Lord: yet I give my judgment, as one that hath obtained mercy of the Lord to be faithful.
25. "Pour ce qui est des vierges, je n`ai point d`ordre du Seigneur; mais je donne un avis, comme ayant reçu du Seigneur miséricorde pour être fidèle."
25. "Fa ny amin’ny virijina, dia tsy manana didy avy amin’ny Tompo aho; nefa omeko izay hevitro toy ny olona efa nahazo famindrampo tamin’ny Tompo ka nataony ho mahatoky."
26. I suppose therefore that this is good for the present distress, I say, that it is good for a man so to be.
26. Voici donc ce que j`estime bon, à cause des temps difficiles qui s`approchent: il est bon à un homme d`être ainsi.
26. Noho izany, izao no heveriko fa tsara amin’ny olona: noho ny fahoriana ankehitriny, hoy aho, dia tsara amin’ny olona ny mitoetra amin’izao.
27. Art thou bound unto a wife? seek not to be loosed. Art thou loosed from a wife? seek not a wife.
27. "Es-tu lié à une femme, ne cherche pas à rompre ce lien; n`es-tu pas lié à une femme, ne cherche pas une femme."
27. Moa efa voafatotra amin’ny fanambadiana ianao? Aza mitady izay hisarahana. Tsy manam-bady va ianao? Aza mitady vady.
28. But and if thou marry, thou hast not sinned; and if a virgin marry, she hath not sinned. Nevertheless such shall have trouble in the flesh: but I spare you.
28. "Si tu t`es marié, tu n`as point péché; et si la vierge s`est mariée, elle n`a point péché; mais ces personnes auront des tribulations dans la chair, et je voudrais vous les épargner."
28. "Nefa tsy manota ianao raha manambady, ary tsy manota ny virijina raha manambady. Kanefa kosa hanam-pahoriana amin’ny nofo ireny; fa mitsimbina anareo aho;"
29. But this I say, brethren, the time is short: it remaineth, that both they that have wives be as though they had none;
29. "Voici ce que je dis, frères, c`est que le temps est court; que désormais ceux qui ont des femmes soient comme n`en ayant pas,"
29. "Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Efa fohy ny fotoana; amin’izao sisa izao, aoka ho toy ny tsy manambady ny manana;"
30. And they that weep, as though they wept not; and they that rejoice, as though they rejoiced not; and they that buy, as though they possessed not;
30. ceux qui pleurent comme ne pleurant pas, ceux qui se réjouissent comme ne se réjouissant pas, ceux qui achètent comme ne possédant pas,
30. "Ary mba ho toy izay tsy mitomany ny mitomany; ary mba ho toy izay tsy mifaly ny mifaly; ary mba ho toy izay tsy manan-javatra ny mividy;"
31. And they that use this world, as not abusing it: for the fashion of this world passeth away.
31. et ceux qui usent du monde comme n`en usant pas, car la figure de ce monde passe.
31. Ary mba ho toy izay tsy mahavatra izao fiainana izao loatra ny mahavatra azy, fa mandalo ny fanaon’izao fiainana izao.
32. But I would have you without carefulness. He that is unmarried careth for the things that belong to the Lord, how he may please the Lord:
32. "Or, je voudrais que vous fussiez sans inquiétude. Celui qui n`est pas marié s`inquiète des choses du Seigneur, des moyens de plaire au Seigneur;"
32. Fa tiako tsy ho maro ahiana ianareo. Izay tsy manambady dia miahy ny an’ny Tompo mba hahafaly ny Tompo.
33. But he that is married careth for the things that are of the world, how he may please his wife.
33. et celui qui est marié s`inquiète des choses du monde, des moyens de plaire à sa femme.
33. Fa izay manambady kosa miahy ny an’izao fiainana izao mba hahafaly ny vavy.
34. There is difference also between a wife and a virgin. The unmarried woman careth for the things of the Lord, that she may be holy both in body and in spirit: but she that is married careth for the things of the world, how she may please her husband.
34. "Il y a de même une différence entre la femme et la vierge: celle qui n`est pas mariée s`inquiète des choses du Seigneur, afin d`être sainte de corps et d`esprit; et celle qui est mariée s`inquiète des choses du monde, des moyens de plaire à son mari."
34. "Ary tsy mitovy koa ny vehivavy manambady sy ny virijina. Ny vehivavy tsy manambady mitandrina ny an’ny Tompo, mba ho samy masina avokoa ny tenany sy ny fanahiny; fa izay manambady kosa dia mitandrina ny an’izao fiainana izao mba hahafaly ny lahy."
35. And this I speak for your own profit; not that I may cast a snare upon you, but for that which is comely, and that ye may attend upon the Lord without distraction.
35. "Je dis cela dans votre intérêt; ce n`est pas pour vous prendre au piège, c`est pour vous porter à ce qui est bienséant et propre à vous attacher au Seigneur sans distraction."
35. Ary miteny izany aho mba hahasoa anareo, fa tsy haningotra anareo amin’ny tadivavarana, fa mba hanaovanareo izay mendrika sy hitoeranareo tsara amin’ny Tompo, ka tsy hivezivezen’ny sainareo.
36. But if any man think that he behaveth himself uncomely toward his virgin, if she pass the flower of her age, and need so require, let him do what he will, he sinneth not: let them marry.
36. "Si quelqu`un regarde comme déshonorant pour sa fille de dépasser l`âge nubile, et comme nécessaire de la marier, qu`il fasse ce qu`il veut, il ne pèche point; qu`on se marie."
36. Fa raha misy mihevitra fa tsy mety ny fitondrany ny zanany vavy virijina, satria mihoatra noho ny taona tokony hanambadiany ny zanany, ka tsy maintsy hisy izany, dia aoka izy hanao ny sitrapony, tsy manota izy, aoka hanambady izy.
37. Nevertheless he that standeth stedfast in his heart, having no necessity, but hath power over his own will, and hath so decreed in his heart that he will keep his virgin, doeth well.
37. Mais celui qui a pris une ferme résolution, sans contrainte et avec l`exercice de sa propre volonté, et qui a décidé en son coeur de garder sa fille vierge, celui-là fait bien.
37. Fa raha misy kosa efa nikasa tsara ao am-pony, sady tsy misy mahatery azy, fa mahazo manaraka ny safidiny ka ninia tao am-pony hiaro ny zanany vavy virijina, dia hanao tsara izy.
38. So then he that giveth her in marriage doeth well; but he that giveth her not in marriage doeth better.
38. Ainsi, celui qui marie sa fille fait bien, et celui qui ne la marie pas fait mieux.
38. Ka izay manome ny zanany vavy virijina hampakarina dia manao ny tsara, ary izay tsy manome azy hampakarina no manao tsaratsara kokoa.
39. The wife is bound by the law as long as her husband liveth; but if her husband be dead, she is at liberty to be married to whom she will; only in the Lord.
39. "Une femme est liée aussi longtemps que son mari est vivant; mais si le mari meurt, elle est libre de se marier à qui elle veut; seulement, que ce soit dans le Seigneur."
39. "Ny vavy voafehin’ny lalàna raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka hanambady izay tiany izy, nefa ao amin’ny Tompo ihany."
40. But she is happier if she so abide, after my judgment: and I think also that I have the Spirit of God.
40. Elle est plus heureuse, néanmoins, si elle demeure comme elle est, suivant mon avis. Et moi aussi, je crois avoir l`Esprit de Dieu.
40. "Nefa raha araka ny hevitro, sambatra kokoa izy raha mitoetra toy izao ihany; ary ataoko fa izaho koa manana ny Fanahin’Andriamanitra."
<
>